
"SEKOLIN'NY FANDEFERANA"
Maro ny fianakaviana no mijaly sy vesaram-pahoriana vokatry ny tsy fifankazoana sy ny fisaraham-bazana misy eo amin’ny mpianakavy na ny mpiara-monina. Mikorontana satria tsy mitovy hevitra, tsy mifanakatia, tsy miray saina, tsy miray fo. Very noho izany ny hasin’ny fiaraha-monina, tsy manjaka ny fiadanana sy ny filaminana. Noho ny inona ? Tsy misy mifandefefitra, tsy misy fanetre-tena. Izany indrindra no anolorantsika ny lohateny hoe « SEKOLIN'NY FANDEFERANA ». Izay mandefitra tsy mba resy, hitombo fahendrena izay manana azy ary hanana fiainana milamina sy mirindra izay mampiasa azy.
Fiainana tsara toy izany no mendrika antsika olombelona ary isika natao hifankatia sy hihavana. Tsy mba ho sambatra velively izay tsy manam-pitiavana ary korontana sy savorovoro no hanjaka ao amin’ny ankohonana rehefa tsy misy fandeferana sy fifanajana.faharoa kosa no hamakafakana ny voka-tsoa azo amin’ny fandeferana, ary ny fizarana faha telo no hanorisoritana ireo mety ho fahavalon’ny fandeferana. Ao amin’ny fizarana farany kosa no hanasongadinana ireo toe-panahy hahanana ny fandeferana.

"FIANARANA AN'I JESOA KRISTY"
Mitolagaga ireo mahita ity Andriamanitra mietry ho kely sy farany ambany, mihataka amin’ny lapa ambony sy masina misy Azy. I Jesoa zanany no nataony sorona tamin’izany fanetren-tena lalina izany. Voasasan’io zanany io avokoa ny fahotantsika rehetra. Izy no nisolo ny otantsika ary ny rà nalatsany no nahavoasasa ny heloka vitantsika. Noho Andriamanitra Masina sy lavorary loatra, dia tsy haintsika hatonina sy kasihin-tanana Izy. Koa mba hahafahantsika mahita Azy mivantana sy akaiky kokoa, dia tsy misy afa-tsy io Zanany io no azo itarafana ny tena maha Izy Azy. Hanampy antsika hahafantatra Azy ny mahita io Zanany io. Taha-dRay Izy ka izay mahita Azy dia mahita ny Ray.
Tsy misy anefa fiainana mamy sy tonga lafatra afa-tsy ny mahalala sy mahita an’io Jesoa Zanany io, amin’izao fiainana izao. Tsy misy koa olona hahita fahasambarana sy fiadanana ivelan’ny Hazofijaliana masina. Fijaliana miova fahasoavana no Ao aminy.
Na dia tsy ahitana famelabelarana mafonja mikasika ny fampianarana
ara-poto-pinoana momba an’i Jesoa aza ity boky kely ity, izay fahita amin’ireo boky malaza ataon’ireo mpandalina sy manam-pahaizana dia miezaka kosa mba mamakafaka ny mety ho anatra na toro-hevitra mahasoa navelan’i Jesoa tamin’ireo Apostoly.

"SYSTÈME ÉDUCATIF SELON L'ESPRIT IMMACULÉE CONCEPTION"
Au bout d’une longue vie consacrée à la vie religieuse et l’expérience avec frère Joseph Marie, fondateur des monastère Immaculée conception, le désir de partager certaines expériences et réflexions, me vient à l’esprit, que je voudrais transmettre en toute humilité, sous forme de conseil et de partage. Grâce à la Providence du Seigneur, et de la Vierge Marie, qui est immensément bon et m’enseigna tout ce que je sais, m’a permis de travailler sur ce thème.
Pour moi, ce qui est vrai de la vie chrétienne, en général, l’est également de la perfection, de la sainteté. Le but de notre mission est donc de défendre son âme par
l’amour et la douceur. C’est là une des raisons par laquelle le formateur accompagne les jeunes à progresser dans la vie spirituelle pour qu’ils puissent être leurs propres architectes de leur perfection. Nous dirigeons les jeunes par l’amour parfait dans ce
long chemin de la sainteté. De ce fait, le formateur devient un vrai père qui aime vraiment son fils. Il est le médecin et l’ange gardien de son âme. De cet amour parfait, principe de notre mission vis-à-vis de nos jeunes, nous ne pouvons trouver
de meilleur modèle que le Christ Jésus Lui-même.
En tant que formateur, il se rend compte de ses responsabilités, non
seulement envers les jeunes qu’il accompagne, mais aussi envers tous les membres
avec qui il vit. Il est le gardien de leurs âmes. Il s’efforce, non seulement d’enseigner
la vie du Christ, mais encore d’être le témoin d’un bon exemple envers les autres.
N'hésitez pas à nous contacter si vous souhaitez plus d'informations sur nos produits.