TIAVO NY NAMANAO
- Jean de la Croix de la Trinité
- 16 nov. 2020
- 1 min de lecture
Tiavo sy hajao ny namanao Mba ho Faly sy hiara-dalana aminao Aza haratsiana na ompaina Sao ho kivy ka hitaraina
Tiavo sy karakarao Mba hiadana izy eo anilanao Aza fosaina na am-pahoriana Fã tolory fitiavana mba tsy hangina
Tiavo sy hajao Mba tsy handositra na ho lao Ianao tsy natao ho mpanaratsy Ka hanao ny asan'ny olon-dratsy
Tiavo sy tantano Ampandrosoy ka omeo rano Na dia tsapanao fa fahavalo Satria izany notakiana amin'ny fiainana mandalo.
Jean de la Croix de la TRINITÉ



Commentaires